Trondro amin’ny “rano adala “

292

Trondro amin’ny “rano adala “ –" pesci all’acqua pazza" –  "fish crazy water" - "poisson à l'eau folle"

 

Zavatra ilaina:

trondro, voatabia, kotomila, tongolo gasy, menaka, sira, divay fotsy , dipoavatra (raha tia)

Fikarakarana azy:

sasana tsara ny trondro (kikisana ny kirana ary esorina ny ao anatiny ) ary rehefa madio tsara dia alahatra ao anaty vilany  na koa atao anaty lasitra (moule) efa nasiana huile d’olive ,
tetehina ny voatabia sy tongolo gasy ary kotomila dia araraka ao anaty vilany fa asiana ihany koa ao anaty kibon’ilay trondro hahamanitra azy  
asiana divay fotsy iray vera sy rano, tsy atao difotra tanteraka nefa tsy atao kely loatra  fa tokony ho eo amin’ny antsasaky ny trondro ary asiana sira sy dipoavatra kely

Fandrahoana azy
- ambony afo malefaka fa saromana ny vilany
- anaty four à 220° 20 à 25 min eo

Masaka izy rehefa sitomina ny taolany amin’ny elany na ny rambony dia miala ho azy

NB: ny anay esorina tanteraka ny taolana vao zaraina ambony vilia ary rarahana ilay sauce kely eo amboniny, hohanina amin’ny mofo natono na nendasina ilay mikarepoka ireny dia atao kasoka amin’ilay ranoniny mmmmm matsiro an

Mazotoa o 

 

Catégorie: 
Matériels: