Lasopy legioma sy akoho
Zavatra ilaina:
ovy, celeri, voatavo, poireau, tongolo be, akoho, voatabia, karoty, sira, rano
Fikarakarana azy:
Tonga dia natambatro anaty vilany daholo rehefa voasasa sy voatetika ny ovy, celeri, voatavo, poireau, tongolo be, akoho, voatabia, karoty, sira ary asiana rano mandifotra azy rehetra.
Tanehina amin'ny afo malefaka mandram- pisasaky ny rano.
Azo soloina hena hafa ny akoho izay manome tsirony ny legioma mitambatra. Ary azo esorina koa ny hodiny raha matavy loatra.