Ron-trondro maina

Portrait de Angie
501

" RON-TRONDRO MAINA" 
Matsatsotsatso tsara

ZAVATRA ILAINA :
Trondro maina (vangolopaka ny ahy teto) izay ampy
ovy vitsivitsy
anamalaho iray tanana
sakamalaho voakiky 1sotrokely
tongolo 2
sira

FIKARAKARANA :

- Lomana amin'ny rano mandifotra ny trondro maina ny alina

- Amin'ny maraina, kikisana tsara hiala ny kirany fa mbola nisinisy ihany, esorina ihany koa ny taolany (afaka tsy esorina fa misy zaza moa ato)

- Somary endasina amin'ny tongolo sy menaka kely, arotsaka ny sakamalaho, dia asiana rano mandifotra avy eo ary ketrehana 1ora teo. 

- Rehefa somary malemy vao arotsaka ny ovy efa voavaofy, voasasa, voatetika, arotsaka koa ny anamalaho. Andramana ny sira dia atao amin'izay hitiavanao azy. Dia ketrehana indray.

Mazotoa homana.

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: 
Matériels: