Akoho sy kabaro saosy

226

Poulet au kabaro sauce

zavatra ilaina:

akoho, kabaro, tongolo be, menaka, sira, voatabia, tongolo gasy

fikarakarana azy:

nendasina ny poulet mba hisy lokony sy tsy hiparitaka,

nandrahoina mitokana ny kabaro,

notetehina maventy ny tongolo ary nendasina ho masaka

narotsaka ny tongolo gasy ary nafangaro,

narotsaka ny poulet sy ny tomates sauce ary ny kabaro efa masaka dia afangaro,

tenehina amin'ny afo malefaka mandrapivoaka ny tsirony sy ny fofokanina.

Aroso miaraka amin'ny vary fotsy 

mazotoa homana o 

de Prisca Randriharimalala 

 

Catégorie: 
Matériels: