vary amin'anana

81

Vary amin'anana hafa kely an .

Zavatra ilaina

Ny ampiasaina dia ny radis rond: alaina ireo raviny maitso ireo dia tetehina atao vary amin'anana. Mitovy tsiro amin'ny anantsonga. 
- Tongolo lay
- Tongolo be
- sira
- menaka
- sakamalaho
- voatabia
- coriandre (kotomila)

Fikarakarana azy:

Tetehina madinidinika ny ravina radis sy tongolo lay ny tongolo be ary sakamalaho.

Afanaina anaty vilany ny menaka ary arotsaka ny tongolo lay, ny tongolo egypta , ny sakamalaho ary ny voatabia, dia avela ho mendimendy dia arotsaka indray koa ny ravina radis ary aroharoina kely eo aloha.

Arotsaka amin'izay ny vary hifangaro ao dia rehefa hita fa akaiky ho masaka dia arotsaka ny kotomila.

Mazotoa homana o!

de Ny Riana

 

Catégorie: 
Matériels: