Trondro sy legioma

389

TRONDRO sy LEGIOMA

ZAVATRA ILAINA : 

Trondro ( izay tianao ny habetsahany)
Legioma (izay rehetra tianao ihany koa)
Tavolo (fécule) 1 sotro
Saosy soja 1sotro
voatabia (tsy voatery) sy hasina izay tiana (tongolo gasy, ...)
Rano 100ml
Menaka 
Sira

FIKARAKARANA :
- Asiana sira ny trondro efa voakarakara dia endasina
- Esty andaniny, diovina sy tetehana araka izay hitavanao azy ny legiona, dia endandasina amin'ny menaka kely. Tsihifina tsara avy eo.
- Tsy ariana iny menaka iny fa hanaovana saosy, ampiana voatabia kely, tavolo, rano ary saosy soja. Ataingina ambony afo dia andrasana somary hatevina ny saosy.
- Averina ao indray ilay legioma teo, dia alahatra eo amboniny ny trondro efa nendasina.
- Avela hiketrika vetivety dia vita

NB: rehefa misy saosy soja dia mila andramana ny sira sao be loatra 

Mazotoa o 
nahandron'i Ylan Razafindramaho

Catégorie: