Salade de riz 1

167

SALADE DE RIZ

Zavatra ilaina :

karoty 3,
katsaka anaty boaty ½,
vary votsy 1kapoaka,
voatabia 2 ,
kokombra 2,
saosy voasary makirana sy mayonnaise 1sotro,
atody 1,
tongolo maitso,
champignon noir
 

Fikarakarana :

Nandrahoina atao mitsiratsiraka ny vary, tetehina "en dé" ny karoty rehefa avy nampangotrahina kely.
Endasina ny atody
Afangaro : karoty , katsaka , voatabia "en de" , tongolo maitso notetehina madinika, champignon noir notetehina madinika, atody notetehina madinika, vary...
Rehefa mifangaro tsara dia omena tsiro amin’ny saosy voasary makirana sy mayonnaise

Montage :

Afatratra anaty lasitra loaka ny salady, rakofana kokombra efa nasisna saosy voasarymakirana, dia haingoana amin’ny didina voatabia ihany koa
Esorina moramora ilay lasitra avy eo

Dia mazotoa daholo indray ary e!

nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: