Mofon'ny maro anaka

370

tsy misy anarana vahiny satria aho tia andrakandrana, " tsy crêpe" a ! "tsy pancake" ! "tsy tapon-tsatroka" koa ... aleo atao hoe :

MOFON'NY MARO ANAKA (nahavita 40 isa)
ZAVATRA ILAINA :
Lafarina 500g
Karibonetra 1 sotrokely
Atody 2
Siramamy 150g
Ronono soja 500ml ( na rano na izay hitanao asolo azy)
sira 1 mitsongo
Menaka 3 sotro fihinanana

FIKARAKARANA AZY :
- Afangaro ny lafarina sy siramamy sy sira ary karibonetra
- Kapohana ny atody 2 dia araraka ao, aroroana tsara
- Arotsaka tsikelikely ny ronono soja sady aroroana hatrany mba tsy hitambaingana
- Alefa ny menaka 3 sotro, aroroana tsara. Mahazo paty marihadrihatra isika.
- Afanaina ny lapoaly dia mandrotsaka 1sotro maromaro ianao, arakaraky ny haben'ny lapoaly, tsy manisy menaka intsony. Rehefa mahazo loko dia avadika. Vita.

Hohanina amin'izao, na ampiarahana amin'ny :

1) kaofitiora na 2) "Nutella" na 3) totomboanjo na 4) tantely na 5) dibera na 6) lakirema
Raha atao tsindri-tsakafo dia asiana "boule de glace" eo amboniny dia rarahana "coulis de fruits" kely na haingoana solila

Mazotoa ary o 

de Vero Randriam

 

Catégorie: 
Matériels: