MOFOMAMY VOATAVO - CAKE A LA CITROUILLE
ZAVATRA ILAINA:
voatavo masaka 500g ,
Lafarina 500g ,
siramamy 250g ,
atody 2 ,
lalovay simika (levure chimique ) 2sotrokely ,
menaka 4 sotro fihinanana ,
hanitra izay tiana
FIKARAKARANA AZY
Potsehina ny voatavo efa masaka dia arotsaka ny siramamy ary afangaro tsara ,
Arotsaka ny atody sy ny menaka dia afangaro hatrany,
ary arotsaka farany ny lafarina efa nafangaro amin'ny lalovay ary voasivana tsara.