Cookies au sésame

1125

COOKIES AU SESAME 

Tena mora atao izy ity ary tena tian'ny ankizy ihany koa 

ZAVATRA ILAINA :

-100g sokolà mainty na izay fatra tiana
- 100g lafarina
- 75g dobera
-  atody 1
- 100gr siramamy
- sira 1 tsongo
- 1/2 càc lalovay
-  hanitra tiana:  lavanila, hodimboasary voakiky sns
-  graine de sésames 

FIKARAKARANA AZY:

1°/ Kapohana miaraka ny dobera sy siramamy
2°/ Arotsaka ny atody, lafarina, lalovay sy ny sira, ary ny hanitra tiana : lavanila, hodimboasary voakiky sns
3°/ Kapakapaho ny sokolà dia afangaro ao koa
4°/  Volavolaina kely fotsiny, tsy lalaovina be ny pâte fa rehefa mahazo forme dia mety
5°/  Fonosona "sachet alimentaire" dia fatorana mafy tsara ny sisiny roa ary atsofoka anaty vata fampangatsihana mandritry ny 15mn mba hipetraka kely, dia avy eo tetehana, dia alahatra ambonin'ny "papier sulfurisé", rarahana graine de sésames
5°/ Atsofoka lafaoro 10mn amin'ny hafanana 180°

Mazotoa o 

nalaina tamin'ny nahandron'i Jo Razafy ny 14.07.2016 nampiarin'i Miora Rakotonjanahary 1.08.2016

 

Catégorie: