Croquette de poulet

351

Croquette de poulet!

Zavatra ilaina:

Poulet de chair izay mahampy anao: feany , elany, nofony sns.
lafarina, atody, vovoka oignon maina, vovoka tongolo gasy maina, sira, vovoka sakay kely(raha tiana), poivre, menaka fanendasana 

Fikarakarana azy:

Tetehana ny poulet dia amainina tsara, ampina sira kely.
Maka lovia 2: ka ny iray asiana lafarina sy tongolo gasy, oignon ary poivre na sakay. Ny iray kosa dia asiana atody voakapoka sy sira 
Hafanaina ny menaka.
Alefa ao anaty farine ilay poulet avy eo asoka ao anaty atody, averina ao anaty farine ndray zay vao arotsaka ao anaty menaka mandifotra azy.

* tsy atao mamay be ny menaka fa manjary tsy masaka ny ao anatiny nefa ilay izy efa doré.

Mazotoa ary o 
de Ony Rakotondramanana

 

Catégorie: