Croissant

283

ODY AM-BAVA FO na SAKAFO MARAINA : CROISSANT 

Zavatra ilaina :
nahavita 12 isa

Pate feuilleté levé : 
Lafarina 250g, 
ronono atsasaky ny fahefany, 
siramamy 1sotro, 
"levure boulangere" 1sotro, 
sira 1tsongo, 
dibera 100g (euro cuisine no nampiasaiko teto),
atody atao "dorure"

Fikarakarana :
Afangaro anaty bol ny farine, siramamy, sira, levure, ronono, rehefa voavolavola tsara dia avela hilona ao mandritra ny 2ora
Velarina ny pate avy eo ary potehina eo afovoany ny dibera (malemy), dia fonosina avy eo.
Fisahana ahazo endrika mahitsizoro ary avalona toy ny "pochette" (eo amin’ny sary "commentaire") (tour simple) avela hilona indray mandritra ny 15mn dia kosehina lavalava indray dia avalona toy ny "pochette" hatrany , avela hilona 15mn indray , rehefa izay dia kosehina ary avalona toy ny teo aloha ihany; izany hoe "tour simple" intelo, avela hilona 15mn dia kosehina ho fisaka amin’izay, didiana hanome endrika telozoro ary dia ahorona.
Avy dia apetraka anaty lasitra efa nasiana "papier cuisson" ary avela hilona eo mandritra ny 20mn, hosorana "dorure" (lalorina atody nokapohina)
ahiditra anaty lafaoro nohafanaina mialoha amin’ny hafanana 200° mandritra ny 20mn
mazotoa o

nahandro sy sarin'i Aina Rakotoarisoa 

Catégorie: 
Matériels: