Crepes

342

 

Crepes

Zavatra ilaina

Lafarina 250g, ronono 1/2l, siramamy 2 sotro fihinanana, sira 2 tsongo, dibera 50g, atody 4

Fikarakarana azy

Atao anaty saladier ny lafarina, siramamy ary sira dia afangaro tsara. 
Kapohana ny atody dia araraka ao, arona tsara mba hifangaro tsara.
Alefa tsikelikely ny ronono sady harona hatrany mba tsy hisy mivaingambaingana. Tokony ahazo pate mitsiranoka amin'ireo.
Arotsaka ao anatiny ny dibera efa avy natsonika dia afangaro atrany. (azo soloina menaka ny dibera)

Afanaina ny lapoaly, tsy asina menaka intsony.arotsaka, atao eo amin 1mn eo ho eo ny ambadika sy ambadika dia vita.

Mazotoa o 
 

de Ony Rakotondramanana

 

Catégorie: 
Matériels: