Crepe cornet au jambon

237

CREPE CORNET AU JAMBON

zavatra ilaina:

Crepe hoan'olona 10:

farine 250g, atody 3, ronono 1/2l, sira , siramamy 1 sotro, menaka 2sotro

Afangaro daholo ireo zavatra ilaina ireo dia avela hilona 1ora vao atao ny fandrahoana nyy crepe.

Jambon 250g, lasary carotte 1kg, poivron notetehina madinika 5, salade batavia 1 ary sauce yaourt izany hoe yaourt nature 1 asiana totona tongolo gasy, tetika oignon, tetika tongolo maitso ary sira sira, 

Fikarakarana:

velarina ny crepe apetraka ny ravina salade manaraka ny carotte efa nasiana ilay sauce yaourt manaraka ny poivron efa nolomana vinaigrette mialoha

rehefa izay dia aforitra manome atsasaka faribolana ilay crepe; apetraka manaraka izay ny jambon, ary ahorona toy ny cornet avy eo.

Narosoko niaraka tamin'ireto avy eo :

VOATABIA NOSESEHANA OVY SY SARDINE  DIA NASIANA CITRON

esorina ny atin'ny voatabia dia hosorana sira, ahohoka hiala ny ranony, potserina halemy ny ovy masaka ary afangaro amin'ny sardine asiana ranona voasarimakirana kely

OEUF MIMOSA

nandrahoina aman-koranny ny atody, nodidiana nanaraka ny lavany, nesorina ny tamenany ary nopotehina nampiana mayonaise kely, averina ao amin'ilay toerany avy eo

mazotoa indray o 

de Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: