By Andry Rakotomavo
Crepe choco fraise à la vanille et au cannelle
Crepe choco fraise à la vanille et au cannelle - Kirepy sokolà sy frezy lavanila ary kanela.
Zavatra ilaina;
lafarina 2 boaty aorta,
atody 2,
ronono
parfum vanille,
vovoka kanela tapa-tsotro kely,
parfum colorant frezy
siramamy 3 sotro fihinanana
vovoka sokola izay ampy,
Fikarakarana azy:
afangaro anaty bol ny siramamy, atody ary ny ronono izay mamparihatra azy nefa kendrena mba hitsiranoka ihany izany hoe tsy miraikitra be, dia haroina tsara mba tsy hisy hitambongana, avy eo zaraina 2 mitovy amin'ny bol, ny iray asiana vovoka kanela sy "parfum vanille", ny iray indray asiana "parfum colorant" frezy, (afaka apetraka kely aloha raha misy fotoana na dia 30 min na 1h aza).
Lalorana menaka ny lapoaly afanaina dia alefa aloha ilay paty lavanila kanela, esorina dia asiana menaka indray dia alefa indray ilay frezy, samy asiana poudre vovoka sokolà aparitaka eo ambonin'izy 2 avy eo ampifanindriana ka ny fraise no atao ambany, avy eo aforitra ny lafiny 2 toy ny manao nem, dia roule-na amin'izay ,
Atao dressage miaraka amin'ny siramamy atao lakirema ary misy sokolà toy izao: atsonika miaraka amin'ny rano kely ny sokolà dia afangro amin'ny siramamy 4 sotro fihinanana atao madity tsara dia vita
Mazotoa ary o
Nahandron'i Saholy Irene
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire