Courgette sy filet de merlan

60

Zavatra ilaina

Courgette tanora 3 lehibe
Filet de merlan 250G
Celeri, tongolo gasy, oignon, sira, menaka

Fikarakarana

Rehefa voadio ny trondro dia lomana sira ary endasina amin’ny menaka kely
Afanaina ny menaka, dia alefa ny oignon voatetika, tongolo gasy voatoto, sakamalaho voakiky, celeri voatetika madinika
Arotsaka ny courgette notetehina boribory (tsy novoasana), asiana sira
Avela hiketrika kely ( tsy atao ela loatra a) dia alahatra eo amboniny ilay trondro,
Rehefa miverina mangotraka dia bataina,
Tsy asiana rano fa mitera-drano ny courgette

Mazotoa homana e!

de Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: