Cake à l'orange et chocolat (lafaoro gasy)

303

Cake à l'orange et chocolat! 
ny pot ny yaourt no hanaovana ny fatra
ho an'olona 8,

zavatra ilaina : 

voasary 2, 1 yaourt nature, atody 2, 1/2 paquet de levure chimique, 3 mini choco, siramamy 2 pots , lafarina 3 pots, menaka 2/3 pots. dibera kely.
NB: azo soloina mandarine ny voasary 
 

Fikarakarana azy: 

anaty saladier iray atambatra daholo ny ingredients rehetra ,alaina ny orange 1 atao jus dia alatsaka ao koa! Alaina ny lasitra dia asiana dibera, alahatra ny voasary 1 hafa izay voasana ary esorina ny voany, dia arotsaka ny pate dia izay! 
Avadika ny lasitra rehefa hamoaka azy !
Ny ahy teto tsy dia nivoaka tsara ilay sarin ilay orange fa ilay tsiro ao tsara! 

Four gasy hatrany : 20 mn fa milamila jerena matetika anefa 
lafaoro gasy: izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 

Four vazaha: 200 dgr, temps de cuisson: 30mn!!! 
mazotoa o
recette de Tatie Nix ihany

Catégorie: 
Matériels: