Brioche tresée

297

 BRIOCHE TRESSEE

Zavatra ilaina:

lafarina 250g, ronono 100ml, siramamy 3sotro lehibe, Sira 1/4 sotro kely, levure boulangere 1 sotro kely, dibera 40g, graine de sesame, atody 1 (atao dorure)

Fikarakarana azy:

Brioche tresée: afagaro anaty lovia jobo ny farine, siramamy, sira, levure, ronono, beurre. Volavolaina hanome boribory ka rehefa tsy miraikita amin'ny tanana intsony dia avela hilona ao mandrampahazo x 2 ny habeny.
Averina volavolaina indray ary zaraina 2 io paty io, zaraina 3 ilay paty iray ary omena endrika lavalava ary randranina atao randra telo (jereo ny sary), avy dia atao anaty lasitra cake efa nasiana beurre na menaka; Aela hilona ao indray mandritra ny ora 1, Hosorana dorure ary fafazana sesame.
Ampidirina lafaoro efa nohafanaina mialoha amin'ny hafanana 180° mandritra ny 30mn

Mazotoa o 

recette de Ange Ramanantena, realisé par Aina Rakotoarisoa 

 

Catégorie: 
Matériels: