Yaourt à boire

1084

Miarahaba o 

YAOURT A BOIRE

ZAVATRA ILAINA :
ronono mangatsika 1L
ronono mangotraka 1L
siramamy 150 g
lalovay simika 1sotro kely
yaourt nature 1
hanitra izay tiana (tsy voatery)

FIKARAKARANA AZY :

  • Fomba 1) : mampiasa vilany haingam-piasa (cocotte minute)

-"mixer"- na miaraka daholo ireo zavatra ireo afa - tsy ny ronono mangotraka.
- vita izay, dia atao anaty vilany haingam-piasa (cocotte minute).
- Etsy andaniny, ampangotrahana ilay ronono 1L, dia araraka ao anatin'ny vilany haingam-piasa misy ny zavatra nomixer- na teo. Aroina mba hifangaro tsara.
- Tonga dia idina tsara ny vilany haingam-piasa, ary fonosina bodofotsy ho mafana tsara mandritra ny 12ora. VITA.
- zarazaraina anaty fitoerany ary atsofoka anaty vata fampangatsiahana.

  • Fomba 2) :

- vao vita fangaro toy ny tetsy ambony ny "yaourt à boire" dia zarazaraina anaty boaty toy ny manao yaourt mahazatra ihany. Saronana tsara ary totofana bodofotsy 12ora. Tsy hivaingana be toy ny yaourt izy arak'izany amin'ny maha yaourt à boire azy, mandranoka kely.

Mazotoa mampihatra sady efa mafana ny andro any MADAGASCAR

FANAMARIHANA :

Raha tsy manana "mixeur" dia atao anaty tavoahangy, dia ahontsana tsara hifangaro. Ny sisa tsy miova.

nahandro sy sarin'i Beby Lalaina - 8.12.17

Catégorie: