Ronono mandry mamy

494

Tsy misy tsara toy ny vita ao an-trano, 

 Fanamboarana RONONO MANDRY MAMY 
ZAVATRA ILAINA :

Ronono 1L
siramamy 125g

FIKARAKARANA :

- Afangaro ireo dia tanehana eo ambony afo antonony ary aroina tsy an-kiato amin'ny sotro hazo (spatule). Manodidina ny 1ora eo ny fe-potoana.
- Rehefa mahazo ilay fofona "néstlé "sy ny rihatra amin'ny ilanao azy dia vita. 
- Atao anaty "bocal" dia saromana tsara, tsy tsabatsabahana.
- Atao toy ny fitahirizana ronono mandry mahazatra ihany
Aza gaga fa mbola miha-matevina an-toerana izy rehefa apetraka anaty vata fampangatsiahana.

Nahandron'i TiAna

Misaotra an'i Lova‬ Miharilanto tamin'ny recette . Antsasak'ireo fatra ireo no natao manome io amin'ny sary io.

Mazotoa o 

 

Ingrédients: 
Catégorie: