Quiche aux épinards et au poisson sans pate

308

QUICHE AUX ÉPINARDS ET AU POISSON SANS PATE

Zavatra ilaina ho an'olona 6:

epinard 1 fehezany, nofo-trondro 250g, atody 3, 100g farine, 1/2L ronono, 50g fromage rapé, sira, muscade, menaka hoan'ny lasitra

 

Fikarakarana:

kapohina hifangaro ny atody sy ny farine, alefa tsikelikely ao ny ronono, asiana sira ary kikina muscade kely
Natsoboka tao anaty rano mangotraka ny epinard dia notangosana ary notetehina ka narotsaka tao anatin'ilay fangaro teo 
Nandrahoina tamin'ny entona ny nofo-trondro dia nopotehina ary nalefa tao anatin'ilay fangaro norakofana ilay fromage rape avy eo
Narotsaka tao anaty lasitra efa nasiana menaka ary nandrahoina tao anatin'ilay lafaoro vilany sy fasika efa nohafanaina mialoha nandritra ny 25mn dia avadika ny takotra ary asiana afo bebe kokoa eo ambony ary kely ny ao ambany.
NB : raha lafaoro dia hafanana 200° mandritra ny 25mn

Mazotoa indray o 

de Aina Rakotoarisoa

 

Matériels: