Pudding maro safidy

38

Indro atolotra ampifaliana eto karazana recette fanaovana pudding
 

recette 1 Lalaina Bee

- ronono - mofo mafy - atody - siramamy -  sucre vanillé - farine kely - levure 

 tapatapahana ny mofo mafy dia lomana anaty ronono (tsisy fatrany fa sady ts atao be ronono be moa koa tsy atao maina be @ mofo fa atao mifandanja tsara fotsiny) dia ampiana atody 1 na 2 (raha ronono 1/2l dia atody 3) sy siramamy , sucre vanillé, lévure, farine kely, dia afangaro daholo.

Hafanaina ny four ary dia atao anaty moule beurré dia atsofoka anaty lafaoro .

asiana beurre ny moule dia atsofoka anaty four à 180° à 200°; rehefa doré dia vita

 

recette 2 de Ralantonirina Lala 

 

Mofo dipaina efa nialinandro mafimafy dia lomana ronono izay hampalemy azy, asio siramamy izay itiavanao azy,

kapohy ny atody izay fantatrao fa mahavonto ny mofo, afangaroy amn'izay.

Azo asiana hanitra izay misy ao aminao (vanille,raisin sec kely ...)

maka lasitra dia manaova caramel arotsay ao ny mofo

Raha misy laforo dia ampidiro ao raha tsy misy dia azo atao bain marie

Rehefa masaka ka mangatsiaka dia maka lovia ka ahoaka ny manala azy mba ho tsara endrika 

nb : caramel dia sucre sy rano fotsiny atao anaty vilany dia avela hitsonika tsy aroina fa ny vilany no ahodikodina, rehefa misy bulle dia vita

 

recette 3 de Dina Ramangatsihoarana (eo amin'ny sary)

mofo 500g, ronono 1/2L, atody3; sucre izay tiana, 1sachet de sucre vanillé, rhum sy raisin sec(facultatif).

Lomana anaty ronono matimaty ny mofo efa notapatapahana, avy eo alefa ny atody voakapoka, siramamy, sucre vanillé, rhum1 càs dia afangaro tsara;

hosorana beurre ny moule dia araraka ao ny fangaro,atao anaty lafaoro 210° eo amin'ny 40min eo

nb: tsara tsiro kokoa izy io raha mofo efa nialon'andro no ampiasaina ary asiana parfum vanille kely dia ao tsara!

 

dia mazotoa homana e

Catégorie: 
Matériels: