Pudding 3

340

ODY AM-BAVA FO na SAKAFO MARAINA : " PUDDING"

ZAVATRA ILAINA : 

mofo efa nialonandro 2 (pain rassis)
ronono (1vera eo ho an'ny fampitambarana, 750ml eo ho an'ny fandomana)
atody 2
siramamy 1pot yaourt latsaka (eo amin'ny 100g eo)
maïzena 1sotro fihinanana (azo soloina lafarina, na "fécule de pomme de terre" na "fécule de manioc")

FIKARAKARANA AZY :

- Lomana ronono (mety koa ny rano) ny mofo ho malemy tsara.
- Fihazana tsara, dia arotsaka anaty " bol "
- Alefa ny atody, ny siramamy, aroina tsara. Alefaso tsikelikely ny ronono mampitambatra azy. Eto koa no arotsaka ny hanitra raha tianao.
- Manamboatra tamberina (caramel) amin'ny siramamy 100g sy rano 1sotro (aleo atao avy hatrany amin'izay "moule" asianao ny mofo).
- Vita izay, arotsakao ny mofo teo, dia atao "bain marie" 30 - 35 minitra eo.

Andrasana mangatsiaka, somary sokirina ny manodidina dia ahohoka.

NB : (Izay nampiasaiko anio no nomeko fa afaka manatsara ianao manisy hanitra : kanelina, rhum kely, lavanila, hodim-boasary,sns...)
azo atao anaty lafaoro toy ilay sary farany izay tsy nasiana caramel, 180°C fa ny faharetany kosa miova araka ny lafaoro, afaka 45minitra dia jerijerena, tsindronina ka raha mbola misy manaraka dia tohizana ihany.

Araho ao amin'ny sary ny fikarakarana

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: 
Matériels: