Pizza wurstel et frite

383

SAKAFO FENO : PIZZA WURSTEL ET FRITE 

ZAVATRA ILAINA:

lafarina 500g ,

25g lalovay labiera, na lalovay 1 fonosana (lévure Saf Instant), 

Huile extra vergine d'olive 5 sotro fihinanana, 

sira 1 sotro kely na atsasany araka izay tiana, 

siramamy 1 sotro kely

rano (farafahabeany 400ml araraka tsikelikely) 

FIKARAKARANA AZY

1 maka rano matimaty amin'ny vera tokony ho 100ml eo dia atao ao ny lalovay sy siramamy mba ho levona sy hiasa mandritry ny 5 minitra

2. maka bol dia atao ao ny lafarina, lavahana eo ampovoany ary atao ao ny sira, menaka ary araraka tsikelikely ilay rano misy lalovay sy siramamy ampiana ny rano mafana arotsaka tsikelikely hatrany. rehefa mahazo pate dia volavolaina halefaka tsara, 

3. rehefa vita dia atao boribory ny pâte ary apetraka anaty bol lehibe dia somary didio efatra (jereo sary) dia lalorina menaka kely ary saromana lamba lena mba hitombo ny hahavony ka apetraka haka aina 2ora farafahakeliny,  (ny anay indray alina mihitsy indraindray)

Eto dia mikarakara ireo zavatra atao eo amboniny, toy ny ovy endasina, sy saosisy, "jambon, charcuterie" izay tiana na koa ny karazana legioma rehetra nendasina kely tsirairay: baranjely, sakaibe, korzety, ovy, olatra, "artichaut, epinards" ... , ary mitetika ny mozzarella / fromazy atao eo ambony, raha tiana koa dia azo asiana saosy voatabia.

4. Rehefa vita ny paty nitombo be dia averina volavolaina tsara eo ambony latabatra nasiana lafarina, ary zaraina boribory 4 dia fisahana araka izay tiana ny hahavony.

5. Osorana menaka ny lasitra apetraka ny pate ary ampidirina lafaoro avela mahazo loko ny lafiny iray ,avoaka ary apetraka ny zavatra izay tiana atao eo amboniny, fa zavatra efa masaka avokoa fa atambatra sisa miaraka amin'ny fromazy,  ny an'i italiana moa mozzarella no tena miasa

Ampidirina ao anaty lafaoro indray ka raha vao mitsonika ny fromazy/ mozzarella dia vita.

Fanamarihana:
- ny mozzarella dia miteraka rano ka mila ampidirina mialoha 3 minitra zay vao ampidirina ireo zavatra hafa miaraka aminy 
- ny maripana handrahoana azy dia miankina amin'ny lafaoro ka izay farany ambony indrindra amin'ny lafaoro no tsara dia jerena fotsiny hoe efa masaka ve 

dia mazotoa daholo indray ary o 

Matériels: