Pain perdu

1083

GOUTER NA SAKAFO MARAINA:  PAIN PERDU NA AMBI-MOFO

ZAVATRA ILAINA

Ambina mofo sy biscotte
atody 1
lafarina kely
siramamy kely
ronono kely
dité mamy 1 baolina
Menaka fanendasana

FIKARAKARANA AZY

Kapohana ny atody dia arotsaka ao ny lafarina sy ny siramamy, ary tondrahana ronono mba hampitambatra azy tsara.
Hafanaina ny menaka ary tsy atao betsaka , raisina ny mofo voatetika dia ampandalovina ao anaty dité mamy ary avy eo ao anatin’ilay paty misy lafarina dia alefa anaty menaka.
Nisy ambiny ny paty dia nasiana biscotte ihany koa saingy tsy nampandalovina dité fa nendasina avy hatrany.
Mahavoky tsara

Mazotoa o

Nahandro sy sarin’i Mary Lou 27.11.17
 

Catégorie: