Pâtes aux courgettes

102

Paty sy korzety 

Zavatra ilaina:

ho an'olona 4
80g isan'olona ny pate
200 gr "lardons fumés" na lard ilay manakaiky ny nofony
1 na 2 tongolo be na "échalotes "
2korzety
divay fotsy atsasaky ny vera  (raha tiana)
menaka oliva
fromazy voakiky : "parmesan" na "pecorino romano" na izay misy 
Azo asiana voatabia kely 2 mba hanisy loko ny nahandro
Sira

Fikarakarana azy:

Mamana rano aloha amin’ny vilany be hanaovana ny pates, rehefa mangoro-vitsika vao asiana sira vaingany kelikely satria efa misy sira ny fromage an , azo ampiana io rehefa hita fa matsatso rehefa manandrana hoe masaka ve ilay pates.
Endasina amin’ny lapoaly tsy misy menaka aloha ny lard fumé ary rehefa miala ny menaka taviny iny dia lasa mikarepoka vao esorina amin’ny vilia, (ny ahy eto tsy nataoko nikarepoka dia tsy nesoriko fa notohizako nandrahoina tao daholo)
ao anatin’ilay lapoaly nanaovana ny lard teo ihany no asiana ny tongolo na "echalotes" voatetika majinika ka rehefa somary miova ny loko dia arotsaka ny korzety notetehina en dé , eto dia arotsaka ny divay fotsy ary avela hiala ny entona na hoe hi" -evaporer" , rehefa vita izay dia asiana sira, arotsaka ny voatabia kely hanome loko , dia avela ho masaka moramora eo ny korzety, rehefa masaka vao averina arotsaka ao ny lardons.
Mandritra izany rehefa mangotraka ny rano ka narotsaka ny pates dia mila andramana hijerena ny faha-masahany sy ny sira, rehefa masaka ny pates natao “al dente”, tsy boledaka be izany, fa raha 11 minutes soratra eo amin’ny fonony dia izay ihany no atao (ny an’ny italiana aza mbola hanalany 2 min izay soratra eo), tatavanina ny pates dia arotsaka ao anatin’ilay fangaro efa misy ny courgettes ary avela hifangaro tsara ny rehetra 
Atao ambony afo kely vetivety monja io mba hampifandray tsara ny fangaro rehetra. Raha hita fa maina loatra dia azo asiana menaka oliva kely. Rehefa tena handoatra anaty vilia maty afo vao asiana fromazy voakiky eo ambony

NB: Raha mampiasa afo 2 dia afaka miaraka atao ny manaingina lapoaly sy rano mafana, fa raha afo iray kosa dia ny saosy hatrany no atao aloha fa tsy asiana fromazy aloha izay vao manao ny paty. Amin’ny farany vao afangaro ary asiana fromazy, 
dia mazotoa o

Catégorie: 
Matériels: