Nofon-kena voasesika

157

ROULE' DE VIANDE FARCIE - NOFON-KENA VOASESIKA  

Amin'ny italien izy "involtini di carne" (carne dia hena involtini dia ilay hoe fonosina izany), amintsika anefa azo avy amin'ny frantsay ny hoe "farci2 rehefa zavatra fenoina ao anatiny ka dia asa na "filet farci" ve izany na koa hoe "roulé na roulade" rehefa zavatra hahodina ka dia aleo aza atao hoe "roulé de viande farcie"

ZAVATRA ILAINA

nofo-kena tetehana fisaka
fromazy parmesan na izay misy fa atao tetika madinika..
voaloboka maina
"pinoli" na "pignons de pin" (voan'ny sapin ilay fotsifotsy ao anatin'ireny voana sapin ireny io) , fa azo soloina voanjo, mahabibo... , ilay mikarepoka fotsiny mantsy no ilaina
tongolo gasy, persila , sira, menaka,
cure-dent

FIKARAKARANA AZY

alaina ny nofonkena dia somary kapokapohana amin'ny vodin'antsy raha tsy manana ilay fikapohana azy
raha nofonkena malemy dia tonga dia afaka velarina
asiana ireo zavatra ilaina : fromazy, voaloboka maina, "pignons de pin", persila , tongolo gasy kely voakiky na voatoto , sira
ahodina ny hena dia tsindronina cure dent hitazona azy
Asiana menaka oliva ny vilany dia atao ao ny hena ho mendimendy, raha tiana ho hanina amin'izao dia avela ho masaka amin'ny afo malefaka rehefa mendimendy asiana rano 1 vera

raha tohizana toy ny anay dia asiana voatabia efa no mixer-na na ireny sauce efa amIn'ny tavoahangy ireny . Asiana rano 1 vera dia avela hitanika amin'ny afo malefaka. Rehefa ritra ny rano dia vita

ny hena dia hohanina amin'ny mofo, vary, salade, legioma, ovy ... izay tiana e
ny saosy voatabia kosa azo hanaovana fangaro amin'ny pates, lasagna, pizza... izay matetika tsy lany dia azo atao anaty tavoahangy dia atao anaty vata fampangatsiahana na koa anaty "congeler-na" mety tsara ary ampiasaina amin'ny manaraka.

Mazotoa indray ary o

Catégorie: 
Matériels: