Mofo mangahazo sy voanio

444

Miarahaba antsika rehetra ô 
MOFO MANGAHAZO  nasiana coco râpé. 

Zavatra ilaina : 

Mangahazo 1 kg
Siramamy 7 sotro fihinana 
Coco râpé 100 g ( azo atao voanjo, na zavatra hafa izay tiana na atao nature )
Ronono velona 10 sotro fihinana ( azo atao rano an, azo atao crème liquide ihany koa )
Atody 2 

Fikarakarana azy : 

1. Rehefa voavofy sy voadio ny mangahazo dia kikisana amin ny râpe karoty. 
2. Atao anaty bol lehibe ny mangahazo voakiky, ny siramamy, ny atody, ny ronono dia afangaro tsara dia Avelao hilona kely eo 15 minutes. Ary hafanao ny lafaoro. 
3. Manomana moule izay tiana ny forme dia hosorana menaka na beurre fa ny ahy teto papier cuisson no nampiasaiko. 
4. Rehefa tapitra ny pause dia arotsaka ao anaty moule ny atsasaky ny fangaro dia alamina tsara ary fafazana ny atsasaky ny coco râpé. Avy eo arotsaka indray ny atsasaky ny fangaro ambiny dia alamina tsara ary fafazana ilay atsasaky ny coco râpé. Somary fafazana siramamy kely. 
5. Atsofoka ao anaty lafaoro ary mila jerijerena. Ny afatarana azy hoe masaka dia atsatoka ny antsy ka rehefa tsy misy manaraka dia vita izy izay. 
6. Raha tsy manana lafaoro dia azo atao bain marie fa saingy ny fitaovana ampiasaina atao lalinaty (bol mazaka mafana ). Azo atao amin' ny afo charbon malefaka ambony ambany. 

FAHANDRO AZY: lafaoro 

Efa nafanaina  eo amin'ny 10 minitra mialoha hatrany ny lafaoro na gasy na vazaha

- Lafaoro gasy : 30 minitra eo : izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 

- Lafaoro vazaha : 150°C  mandritry ny 25 minitra eo 

.

Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô

Nahandron'i Soa Bonheur

Catégorie: