Mofo mangahazo - Balamboay

10

indro atolotra eto recette maromaro natolotr'ireo namana misy mamy ary misy masira fa dia afaka mifidy izay tiana o

recette 1 de Cotton Wood

Alaina mangahazo manta lena dia kikisana amin'ny fikikisana azy Alaina koa coco matoy tsara dia kikisana amin'ny fikikisana azy reny, Afangaro ny coco sy mangahazo ary asiana siramamy (asiana farine kely raha ilaina) , eo tena atao malemy tsara hifangaro elaela mihitsy tena hoe pate malemy mihintsy vao avela dia ho compact tsara ny bolabola. miaraka amin'ny siramamy kelikely mety araka izay tiana. Volavolaina ilay izy atao lavalava iny. Endasina amin'izay. Tsara io an

Recette 2 de Olivah Rasandalalao

Andrahoina ny mangahazo rehefa masaka tsara dia potserina (atao puré) ,na totona, na koa azo aodina amin'ny fitotoan-kena, rehefa vita puré dia asiana siramamy izay hamamy hitiavanao azy, asiana sira kely (tsongony) avy eo kosehina amin'ny tanana atao lavalava amin'ny habeny hitiavanao azy, tapatapahana, ary avy eo dia endasina amin'ny menaka.

Recette 3 de Raharisoa Oliva

rapena @ rapy madinika be ny mangahazo ary fahazana tsara dia avy eo alefa amin'izay izay fangarony,siramamy sy hanitra izay tianao vanille ohatra na raha masira dia asiana epice izay tianao dia volavolaina araka izay endrika hitiavanao azy , ary dia arotsaka ao anaty menaka mamay ,misy fomba 2 ny fanovana azy io ,raha ilay mangahazo lena io no fanovana azy , raha mangahazo maina dia mividy vovony dia lemako kely dia mety ihany koa .

Recette 4 de Voahangy Mimy

Mangahazo 1kg siramamy mena 250g ,dzama 10cl , atody 4, coco 150g (coco maina vovony),dobera 150g , voasina ny mangahazo dia rapena toy ny karoty , afangaro amin'ny ireo rehetra ireo avy eo , atao anaty lasitra dia 160° mandritra ny adiny iray o!

Recette 5 Ravaka Sarobidy

balamboay na mofo mangahazo au coco mangahazo 1kg sucre izay tiana, coco rapé 1/2 na arome coco, andrahoana ny mangahazo dia rehefa masaka dia potsipptserina avy eo asiana sucre sy coco, afangaro ireo asiana farine kely de volavolaina @ zay dia endasina amin'ny menaka mamay tsara.

Recette 6 Jtoks Joeli

Andrahoana halemy ny mangahazo,totoina halemy , asiana sira, poivre ary zavamaintso sy tongolo voatetika majinika tsara, raha asiana totokena manta kely sy ampiana farine kely tsy ampivoraka azy. Bolabolaina dia endasina amin'izay. Masira io an!

Recette 7 Haingo Ravaka Rahaingoharimbolatsoa

- rapena toy ny carotte ny mangahazo lena

- fihazana ny ranony fa tsy ilaina, afangaro amin'ny siramamy izay tiana

-ampiana lait de coco,azo alefa ilay vovony raha tiana

- afanaina ny vilany ary araraka ao ny siramamy tokony ho tapaky ny pot yaourt tsy asiana rano

-atsonika ka avela ho menamena somary mainty ny lokony mba hahazoana caramel

-ampiana rano kely hitsiranoka tsy hiraikitra amin ny vilany afahana mampiasa azy

-araraka ao anaty moule à cake ilay caramel tsy atao betsaka fa mangidy

-arotsaka amin'izay ilay fangaro tetsy ambony -andrahoina atao bain-marie amin izay

-tsindromina amin ny antsy rehefa heno ny fofony ka rehefa tsy misy manaraka ilay antsy dia masaka. Io ilay amidin'ny olona eny lafo be eny an-tsena omeny anarana hoe gateau mangahazo.

Recette 8 Rafanomezanjanahary El Elodie

- kikisana manta ny mangahazo, fiazana amin'ny lamba madio mba hiala ny ranony (amin'izay Tsy Mangidy).

- Asiana rano madio kely mba hampalemy azy, asiana sira, épice, ciboulette, sns.

- atao boribory kely dia endasina.

recette n° 9 de Angie Boutax

Andrahoina ny mangahazo somary kelikely lavalava ary asiana siramamy. 
rehefa masaka dia potserina amin'ny fourchette na mixer, na totona amin'ny laona izay manana, tsy atao malemy be an.

Rehefa malemy dia asiana lafarina kely dia afangaro tsara. Avy eo dia atao izay forme tiana hanaovana azy. Eto dia natao boribory sy lavalava. 
Endasina dia vita.
Mazotoa indray o

 

recette n°10 Dina Ramangatsihoarana

Masahana ny mangahazo ka rehefa masaka dia potserina amin'ny fourchette na mixé-na;

avy eo asiana siramamy izay tiana, atody1, coco râpé, beurre kely dia afangaro tsara; volavolaina amin'ny tanana avy eo dia endasina.

mazotoa hatrany o

Catégorie: 
Matériels: