Mofo Makasaoka

177

 

MOFO MAKASAOKA

misy karazany 2 ireto :

1-recette de Dina Ramangatsihoarana 

ZAVATRA ILAINA
mofo dipaina,
lafarina 300g ,
atody 3,
ronono 1/4L,
siramamy izay tiana,
azo asiana lavanila na "sucre vanillé " raha tiana
talovay 1 fonosana (11g eo) levure chimique;
menaka fanendasana.

FIKARAKARANA AZY
afangaro ny lafarina, lalovay , siramamy, dia arotsaka ny atody sy ny anatin'ny lavanila na "sucre vanillé";
arotsaka tsikelikely ny ronono dia afangaro tsara;
alona kely 30 minitra eo  ny pate;
tetehana manify ny mofo dia arotsaka ao anatin'ny pate dia endasina amin'ny menaka mafana. 
Atao ambony "essui tout " na "sopalin" hitsika tsara ny menaka
mazotoa o 

 

2-recette de Moniques Claire Malala 

lafarina 1 kapoaka
siramamy izay tiana
rano matimaty
mofo 

FIKARAKARANA AZY 

Maka bol dia atao ao ny lafarina ary arotsaka ny siramamy, asiana rano matimaty hampifandray azy dia aroina tsara hifangaro. Araraka tsikelikely ny rano mandra-pahatonga azy ho marihitra somary mitsiranoka fa tsy atao marihitra be loatra.Vita zay dia saromana ary apetraka amin'ny toerana maina sy madio ( tsy ilaina vata fampangatsiahana io)  Avela eo iray andro na roa andro aza tsy maninona.
Dia jerena ilay rihatra fa ny ahafantarana azy hoe tena mety dia somary miova kely ny fofony aloha otran'ny somary marikivy izay dia manaraka izay dia ampiana lafarina kely iray sotro dia afangaro tsara, rehefa afangaro lay izy dia hita somary misy rotrany, mahatsara azy iny . Madity ny rihitra fa tsy mitsiranoka be, ampiana lafarina tsikelikely raha mitsiranoka dia kapohana tsara.
Maka vilia mitokana indray dia asiana rano sy siramamy dia afangaro tsara.
Tapatapahina amin'izay ny mofo dipaina dia ajoboka anaty rano misy siramamy iray segondra monja dia arotsaka tsirairay ao anaty rihitra ary endasina amin'ny menaka mamay. Arotsaka iray minitra dia avadika indray iray minitra dia masaka.
Atao ambony "essui tout " na "sopalin" hitsika tsara ny menaka
Tazomina ho mamay foana ny afo fa mitroka menaka ny mofo vao mihena ny hafanan'ny afo. Vilany saba no tsara ampiasaina rehefa hanendy mofo makasaoka dia atao menaka betsaka.
Mazotoa 

Azo hanaovana mofo akondro koa io pate io fa somary atao mitsiranoka kokoa.

Fanamarihana avy amin'i Lala-Sue Harris:  Rehefa manao mofo makasoka na mofo akondro na mofo anana na sakay, dia somary asiana kobambary sahabo 3 sotro lehibe fa somary mikarepoka ilay mofo avy eo ary indrindra rehefa mangatsiaka ilay mofo dia tsy malezoka fa somary mitana ilay mikarepoka iny

Mazotoa ary o,

 

Catégorie: 
Matériels: