kotileta sy celeri

277

Kotileta sy celeri: laoka tsotra sy hafakely 

zavatra ilaina: 

kotileta, tongolo be, tongolo gasy, céleri, sira, rano kely 

Fikarakarana azy :

Andrahoina amin'ny rano tsy asiana menaka ny kotileta ary asiana sira.

Rehefa ritra sy mendy tsara dia arotsaka ny tongolo be, tongolo gasy vototo na voatetika

Dia andrasana mendimendy ihany koa ny saosy vao alatsaka ny celeri dia aroina tsara.

Ampiana sira kely raha tsy ampy eto na sauce soja kely raha tia

Avela ho masaka tsara ao dia vita.

Mazotoa ary o

recette de Ialy Destiny‎

 

Catégorie: 
Matériels: