Kimo

319

Kimo

Zavatra ilaina:
 

 toton-kenomby, tongolo be, tongolo gasy, sakamalaho, menaka, sira, curry, dipoavatra, tongolo maintso.

Fikarakarana azy:

Endasina ny toton-kenomby sy oignon sy tongolo gasy sy sakamalaho ho mendy. Arotsaka ny ovy voatetika toy ny kodiakely, arohina matetika mba tsy hiraikitra sy ho mendy tsikelikely ny ovy, saromy mba hilatsaka ny entona hampamando azy nefa ampio rano kely raha miraikitra loatra na izany aza. Asio ranona voatabia kely. Asio sira, curry, poivre. Rehefa masaka ny ovy dia vita. Raraho tetika tongolo maintso sy "Rakoto Emile" (kotomila)
NB : raha hita fa maina loatra koa dia ampio menaka kely mba ho mandina fa tsy hanana endrika ovy masaka maina fotsiny.

de Bonbon Mamibe
 

Catégorie: 
Matériels: