Kaofitiora tsaramaso

366

KAOFITIORA TSARAMASO - confiture de haricots 

mena na fotsy,  hahazoana 1kg:

Zavatra ilaina:

Tsaramaso mena na fotsy maina 1 kg
Siramamy 1 kg
menaka kely

Fikarakarana azy:

- Sasana ny tsaramaso dia lomana amin'ny rano 1.5 L mandritry ny alina.  
- Ahandroina amin'ny "cocote minute" amin'ny rano 1,5 L ( mila malemy be) dia avela hangatsiaka.
- Tsihifina tsara ary hamelana eo amin'ny 1L ilay rano nahandroina azy iny fa mbola ilaina.
- Potsero amin'ny "mixer" ilay tsaramaso (raha sotro rovitra (fourchette) no hamotseranao azy dia aleo voasana tsirairay hiala ny hodiny) 
- Alaina ny vilany matevina, atao ao ny tsaramaso voapotsitra sy ny siramamy ary ilay ranon-tsaramaso 1L efa natokantsika teo.
- Avela hitanika, aroroina matetika mandra-paharitrany.
- Avela hangatsiaka dia atao anaty "bocal"
- Rarahana menaka kely eo amboniny, saromana ary apetraka amin'ny toerana mangatsiatsiaka na anaty vata fampangatsiahana.

NB : afaka hohanina amin'ny crêpes, cake, mofo dipaina, sns...
Aoka tsy ahena mihitsy ny fatran'ny siramamy fa io no tena mampateza ny fitehirizana azy raha tsy misy vata fampangatsiahana.

Mazotoa o

de Vero Randriam nadika tao amin'ny recettes-ensoleillees 

Catégorie: