Hena baolina farci

50

Henabaolina voasesika  atody miaraka amin’ny saosety

Zavatra ilaina :

• 250 g toto-kena azo soloina nofo-trondro voatoto
• 4 atody
• 20 g "fecule"
• kotomila
• sira sy dipoavatra
• lafarina kely
• Saosety 3 lehibe
• 1 tongolo be
• 1 tongolo gasy hasiny 
• Sakay maintso 6 raha tiana
Fikarakarana :
1. Andrahoina amin'ny akorany ny atody 3: "œuf dur" .
2. Afangaro ao anaty bol ny toto-kena, "fecule", sira, dipoavatra, kotomila voatetika madinika ary atody 1. Ataontsika hoe  fangaro io
3. Zaraina 3 ilay fangaro. Fonosina amin’io fangaro io ilay atody nandrahoina, mahazo henabaolina vaventy avy eo, akodiadia ao anaty lafarina izay henabaolina vita ary endasina anaty menaka mafana tsara amin’ny afo malefaka.
4. Rehefa voadio ny saosety dia tetehina omena endrika lavalava, tsy atao manify loatra moa tsy atao matevina ihany koa
5. Afanaina ny menaka dia arotsaka ny tongolo be voatetika avy eo ny tongolo gasy efa voakiky manaraka ny sakay nalana voany, rehefa mivadika ho transparent ny lokon’ny oignon dia arotsaka ny saosety, asiana sira, rehefa ritra satria somary miteraka rano kely ny saosety dia apetraka eo amboniny amin’izay ilay henabaolina tetsy aloha nosilahana roa dia saromana kely aloha haka ny tsiron’ny saosety ilay henabaolina, tsy ajanona ela fa 1mn ihany dia vita.

Mazotoa daholo indray ary e !

 

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

 

Catégorie: 
Matériels: