Godrogodro au coco

71

Godrogodro au coco​ 

Zavatra ilaina : 

- 1 coco raper-na amin'ny ambozo no tena tsara
- 1kg koba vary, raha tsy mahita dia vary broyé-na amin'ny robot dia tena atao mahazo poudre mintsy
- 1kg siramamy : 750grs et 250 grs
 

Fikarakarana azy

1° - Ampangotrahina ny rano 5L dia alefa ao ny coco voakiky dia avela milona kely 10mn ary avy eo tatavanina amin'ny lamba manify na amin'ny taty kafé. Raha mahatanty mahamay dia fihazana mafy mintsy mba tena ivoaka ilay ronono ny coco matavy tsara
2° - Afangaro anaty koveta ny koba sy siramamy 750grs ary ilay ronono ny coco mafana 1l dia arona tsara mahazo rihatra toy ny crèpe
3° - Atsonika anaty vilany ny siramamy 250grs ary avela may lasa "caramel"
4° - arotsaka ao amin'ny ilay vilany misy "caramel" ilay koba mamy misy rano coco dia afangaro haingana be amin'ny sotro be hazo
5° - tapohina tsikelikeky amin'ny ilay 4L ronono ny coco ambiny sady arona tsy ankijanona eo ambony afo ilay vilany. refa tapitra lasa avokoa ny  dia ajanona refa manao "pouf pouf " ritra ilay melange.

Fahandro azy:

 - raha mampiasa afo saribao dia avadika ny takotra ka asina afo charbon eo ambony takotra ary kely sisa ny ajanona ao ambany. Avela eo mandra- pahalanin'ny afo sy mangatsiaka ny vilany izay vao esorina amin'ny lasitra 

 - raha mampiasa lafaoro dia asitrika anaty lafaoro à 200- 250° pendant 1h-30 à 2h (arakaraky ny four) avy eo pihina ny afo dia avela ao mandra -pahangatsika.
Ny tsara dia ny hariva no manao ilay godrogodro dia ny ampitso maraina vao esorina amin'ny lasitra.

nb: Mety raha ilay lait de coco amin'ny boite ireny raha tsy manana fikikisana coco.

Nahandron'i Bakoly Khan Gallissan, sarin'i Vero Randriam 

 

Ingrédients: 
Catégorie: