Gateau d'anniversaire

346

Mofo mamy - gateau d'anniversaire indray no zaraina ampifaliana 

 

Zavatra ilaina: ho an'ny olona 6 izy ity!

atody 4, lafarina 1 pot d'yaourt latsaka kely na 100g, toy izay koa no fatran'ny siramamy 100g na latsaka kely (1 pot), creme liquide 1/2l ,hopla no nampiasaiko ho an'ny decoration, dibera na menaka atao amin'ny lasitra.

 

Fikarakarana azy;

- vakiana ny atody 4 ka sarahina ny blanc sy ny jaune,

- nokapohiko ny blanc ka narotsako tsikelikely ireo siramamy ka rehefa lasa mariatra sy fotsy tsara toy ny la neige fa tsy mandranoka intsony dia narotsako moramora ihany koa ny jaune ary farany ny farine, arotsaka toy ny afafy ka mitandrina tsara rehefa manafangaro ilay atody amin'ny lafarina mba tsy hanimba ilay fangaro atody ka toy izao no atao amin'izany: HAROINA MORA AVY AO AMBANY NO MIAKATRA , ka rehefa hita fa mifangaro dia arotsaka anaty moule efa nolalorina beurre, atsofoka four efa nafanaina mialoha à180° tokony ho 30- 40 min eo , ka rehefa masaka dia ampangatsiahina aloha ,

 

Ny crème 

- alohan'ny hikapohana azy dia atsofoka 2h mialoha ao anaty frigo aloha lay creme liquide, avy eo kapohina ka rehefa lasa chantilly izany hoe miraikitra tsara fa tsy misy ranony dia ajanona,

- tapahina/ didina roa amin'ny sakany ilay genoise dia asiana crème, apres imbibage* dia atambatra, izany hoe ampifanengenina indray, lalorina ka atao izay hampalama azy dia haingoy amin'izay araka izay hitiavanao azy ka atao anaty sac à poche ny chantilly nanaovana ny sisiny.

Marihiko fa ny ahy nasiako confiture ihany koa tao ampovoany! fa azonao asiana izay tianao na chocolat koa aza

 

*imbibage= vontosana rano sy siramamy ary parfum vanille (na izay tianao) ny lafiny roa amin'ilay genoise,

ny tanjon'ny imbibage dia mba tsy ho maina be lay genoise fa malemy tsara nefa tsy potika!

 

mazotoa o

de Saholy Irene

 

Catégorie: 
Matériels: