Galettes de légumes aux thon

66

Zavatra ilaina:

ovy 800 g, tongolo lehibe , atody 2 , karaoty 2,petits pois sahabo tapakapoaka, lafarine 2sotro lehibe, sira, thon en boite 1,menaka fanendasana.

Fikarakarana : 

Tetehina ny ovy mba ho moramora masaka, andrahoina anaty rano, rehefa masaka dia potserina miaraka amin'ny thon , arotsaka ny tongolo voatetika madinika , (tongolo maintso na oignon) azo asiana tongolo gasy ihany koa raha tiana, rapena madinika ny carrote , alaina ihany koa ny petits pois somary nampangotrahina kely (tsy voatery hisy petits pois) afangaro aminy ao, alaina ny atody vakiana eo amboniny arotsaka ny farine , aroaroina tsara, aza hadino ny sira araka izay hitiavana azy, alaina ny lapoaly (ilay misy adhésif) hafanaina ny menaka sahabo 2na 3 sotro, volavolaina ny fangaro ka arotsaka rehefa mafana ny menaka, avadika rehefa masaka ny ilany.

Mazotoa homana

de NyÉko Soké Zita

 

Catégorie: 
Matériels: