Fraisier

272

Fraisier tsy misy atody, azo tsy asiana gelatine ihany koa raha tsy tia 

zavatra ilaina:

crème fraiche 1/2l, siramamy 3cs, fraise 1/2kg, gélatine 1cs na feuille de gélatine 1 , boudoirs, sucre glace , citron, 

Fikarakana azy :

- Atao anaty frigo aloha ny hoplà sy ny bol ary fouet hanaovana ny chantilly raha ho atao antanana.
- Raha feuille de gélatine no ampiasaina dia mila alona rano mangatsiaka aloha eo amin'ny 8-10min eo mba halefaka
- Sasana ny fraise ka rehefa voadio tsara dia analana kely atao décoration eo ambony ary ny sasany izay lehibebe dia zaraina 2 atao decoration amin'ny sisin'ny moule ary ny ambiny kosa dia mixér-na miaraka amin'ny siramamy ary ny gousse de vanille 1 nosokafana ka ny tao anatiny no alefa fa tsy ny tahony , dia atao lasa crème tsara , dia zaraina roa.
- Ny atsasan'ilay fraise dia ampiarahana hafanaina kely miaraka amin'ny gélatine (atao matimaty fa tsy atao mangotraka) ary atambatra ao avy eo ny antsasaky ny fraise najanona dia afangaro tsara.
- manao chantilly : kapohana hiakatra tsara ny crème fraiche ary rehefa tena miakatra ambonimbony vao asiana ny sucre glace , hoplà izy eto sy (azo asiana colorant raha tiana ), raha siramamy kosa no ampiasaina dia miaraka kapohina mialoha (atao moramora aloha rehefa miakatra bebe kokoa vao  kapohana haingana)
- rehefa mangatsiaka ny fraises misy ilay gelatine, ary vita tsara ny chantilly dia atambatra ary afangaro moramora amin'ny spatule , atao tsikelikely fa manjary mihena ny chantilly ,rehefa voafangaro tsara daholo dia lasa mousse de fraise
- maka moule à manquer dia apetraka amin'ny sisin'ny moule ny fraise voazara roa ka ilay anatin'ny fraise no mitodika any aminìny moule, alahatra koa ny boudoirs amin'ny fond  , alona kely ao anaty sirop ny lafiny iray amin'ny boudoirs izay atao lafika mba halefaka 
- dia araraka ny antsasaky ny mousse de fraise dia mbola nampiana potipotika boudoirs sy fraises voatetika majinika koa teo ampovoany, nasiana couche ny antsasaky ny mousse indray izay vao nasiana decoration. 
Nampidirina frigo alina manontolo ary esorina ny moule rehefa akaiky hihinana dia decorer-na araka  iay tiana. 
mazotoa o

 

Catégorie: 
Matériels: