Flan pâtissier 2

Portrait de Angie
1141

 TSINDRIN-TSAKAFO DESSERT : FLAN PATISSIER (tsy mila lafarina)  

 

ZAVATRA ILAINA:

 

Ronono 1l

Atody 3

Maïzena 90g

Siramamy 125g

afaka ampiana lavanila na hanitra izay tiana

 

FIKARAKARANA AZY
 

Afangaro ny atody sy siramamy ary ny maïzena ,

afanaina ny ronono dia arotsaka tsikelikely amin'ny fangaro teo aloha dia aroina tsara mba tsy hisy miambaingana , ataoQ ambony afo malefaka dia haroina tsy ankijanona mandrapaha mariadriatra azy ,

arotsaka anaty lasitra efa voahosotra dobera

ampidirina lafaoro efa nafanaina mialoha amin'ny hafanana 180 C ka 50 minitra eo ho eo dia vita.

 

Mazotoa o.

 

nahandro sy sarin' 'i Fanirizo Arimalala

Catégorie: