Cookies au citron et vanille

1094

GOUTER NA SAKAFO MARAINA: COOKIES AU CITRON ET VANILLE

ZAVATRA ILAINA

nahavita 30 

- 200g dibera efa nalemy
-200g siramamy
-1 atody
-400g lafarina
- ranomboasary makirana 1 sy hodiny voakiky
-1 sotrokely lalovay simika (levure chimique)
- lavanila (ranony raha tiana)

FIKARAKARANA AZY

Kapohina ny dibera sy siramamy hifangaro, arotsaka ny atody, tohizana kapohana, asiana ranomboasary makirana sy hodiny voakiky, arotsaka ny lalovay ary farany ny lafarina, afangaro tsara daholo dia mahazo boribory lehibe.
Asiana menaka ny lasitra, rarahana lafarina kely,
Maka paty kely dia volavolaina boribory maromaro, dia fisahina amin'ny tanana, de atao ambony lasitra
Andrahoina anaty lafaoro nafanaina mialoha, 180* mandritra ny 20 minitra eo ho eo, mila jerijerena fa araky ny lafaoro ny fahamasahany

Azo tehirizina anaty boaty misarona tsara koa ilay izy

Nahandro sy sarin'i Stella Yolande Hokowa - 20/12/17

Catégorie: