Cake marbrée au chocolat

269

cake marbrée au chocolat pour 8 personnes!! La four gasy ihany no adý eo é 

Zavatra ilaina:

250 gr de farine, siramamy 4 sotro, atody 3, gousse de vanille, chocolat mini 4 isa, levure 1/2 ny sachet,... 

Ny fikarakarana azy :

maka rano matimaty dia atsonika ao ny levure, rehefa vita izay dia alaina daholo ny atody ny siramamy ny levure ny vanille dia afangaro tsara ao ireo.
Dia avy eo alefa ny farine rehefa avy tamizena dia atambatra tsara. Avela 15 mn eo hiakatra tsara!!
Vita zay dia zaraina 2 ny pate de ny iray tsotra ny iray asiana choco mini avy natsonika tamin'ny beurre dia alefa tsirairay amiń'ilay moule , ilay tsotra aloha no alefa dia manaraka ilay misy choco dia ohatŕ izay hatrany hatrany . 

Cuisson :45mn eo amin'ny lafour gasy vilany
Izany hoe : maka vilany lehibe, asiana fasika ao anatiny atao mamay ilay afo rehefa hanafana an ilay fasika, rehefa ampidirina ny moule dia afindra eo ambonin'ny sarombilany ny afo bebe kokoa izany hoe atao mamaykokoa noho ny afo avela ao ambany.

Misy système iray koa: tonga dia ny vilany no atao moule,  fafana maina tsara ny vilany, asiana taratasy matevina couches maromaro aloha anaty vilany, ohatra papier A4 8 isa na 10 eo  fa mety tsara koa na ireny emballage  ireny aza, rehefa vita izay vao arotsaka ny pâte, saromana sarom-bilany mivadika, apetraka ambony fatapera misy afo malefaka dia asiana afo eo ambony sarom-bilany , 

Mazotoa daholo tompoko!!
de Tatie Nix

 

Catégorie: 
Matériels: