Bonbon voanjo 1

132

Bonbon voanjo
mamy tsara miam 

zavatra ilaina :

voanjo 1kg
siramamy 500g
ranomboasary makirana 2 sotro fihinanana
sakamalaho (raha tiana)

Fikarakarana azy:

Atao anaty lapoaly ny voanjo ary endasina tsy misy menaka mandrapaha tonga azy menamena tsara. Afangaro matetika an.
Rehefa vita dia somary totoina kely tsy atao potika be (tsy totoina amin'ny laona akory fa amin'ny tavoahangy nosorana menaka dia mety )

Atao ambony afo malefaka ny vilany misy ny siramamy sy ny jus de citron ary avela ho lasa caramel . Tsy haroina mihintsy mandrapaha tonga azy ho sirop mena tsara fa ny vilano no hahetsiketsika. 
Mandrampiandry an'io caramel io dia hosorana beurre aloha ny plat iray carré (misy manao ambony latabatra hosorana menaka)

Rehefa vita ilay caramel dia araraka ao anatin'ilay voanjo efa avy nototoina, afangaro tsara dia avela mangatsitsika kely fotsiny fa manjary mafy ary avy eo dia velarina ao anatin'ilay plat na eo amin'ny latabatra, fisahana amin'ny rouleau na tavoahangy ary didiana ny faritra araka izay paoziny tiana atao haingakaingana ity.
Rehefa tena mangatsiaka tsara kosa vao didiana tanteraka

Mazotoa o

nahandro sy sarin'i Angie Boutax

 

Ingrédients: 
Catégorie: 
Matériels: