Beignet de carneval

108

Beignet de carneval na cuisse de dame

zavatra ilaina:

500g lafarina, Siramamy 250g, atody 4, dibera 125 g, 2 càs rhum (raha tiana), Lalovay (levure raha tiana), 4 càs" crème fraiche" (raha tiana), Sira 1 tsongo, Menaka fanendasana

Fikarakarana azy:

1- Atsonika ny dobera dia avela hangatsiaka ary ao no arotsaka ny "liqueur na rhum" raha toa ka asiana

2- Kapohina ny atody dia arotsaka ny siramamy ary afangaro tsara, arotsaka ao ny dobera sy "liqueur" efa mangatsiaka, (sao masaka ny atody), arotsaka koa ny crème fraiche raha asiana, dia afangaro tsara hatrany = fangaro 1

3- Afangaro ireo zavatra ilaina maina: ny lafarina sy lalovay ary sira efa nafangaro tsara ary no tatavanina (tsy maninona na miaraka aza ny sy sira sy ny lalovay) = fangaro 2

4- Arotsaka tsikelikely ao anatin’ilay fangaro 1 ny fangaro 2 ary volavolaina tsara mba hifangaro tsara, rehefa tsy miraikitra amin’ny tanana intsony dia vita

5- Avela hipetraka ela ela na ora1 na ora 3 vao maika tsara amin’ny toerana mangatsiaka (tsy vata fampangatsiahina)

6- Velarina eo ambony latabatra amin'izay ilay pate ary tapatapahana ohatry ny ankihibe dia somary atao matsoko ny lohany tokony ho 6 cm eo ny halavany ary 3 cm ny diametre eo ampovoany 

7- Endasina amin'ny menaka atao betsaka , ary vao vita mafana iny dia ampandalovina "sucre glace" raha tiana 

mazotoa 

Sary nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: