Ananambo sy boulette de poisson

155

 

ANANAMBO SY BOULETTE DE POISSON

 

Zavatra ilaina:

ananambo 2 kapoaka, celeri, oignon 1, tongolo gasy, sakamalaho, sira, menaka kely,
boulette de poisson : nofona trondro 250g, atody 1, fecule1 sotro, levure chimique 1 sotro kely, ranona voasarimakirana 1, sira,  siramamy indray mitsongo, tongolo maitso.

 

Fikarakarana:

Atao aloha ny boulette de poisson: avy dia totoina miaraka izy rehetra,

Volavolaina madinidinika, dia avela hipetraka kely mandritra ny 30mn.

Afanaina ny menaka, dia arotsaka ny oignon notetehina madinika sy totona tongolo gasy, kikina sakamalaho ary celeri notetehina madinika.

Rehefa mivoaka fofona manitra tsara arotsaka ilay boulette ahetsiketika ny vilany ampifangaro azy fa tsy aroina.

Rehefa izay dia tapohina rano amin'izay ron-daoka tadiavina ary avy dia arotsaka ny ananambo, rehefa mangotraka 5mn aorian'izay dia entanina.

 

NB: raha avy dia boulette betsaka no natao ka tiana ho tehirizina dia andrahoina a vapeur vao tehirizina anaty boite maina tsara.

Mazotoa daholo indray ary e!

de Aina Rakotoarisoa
 

Catégorie: 
Matériels: