By Andry Rakotomavo
Pudding (lafaoro gasy)
      Soumis par andry le dim, 08/23/2015 - 07:54    
  
  309
PUDDING fait maison
Zavatra ilaina: 
 
mofo dipaina rassis 2,
dibera malemy 50gr,
siramamy 4 sotro lehibe,
ronono 1/2 l,
atody 2,
voaloboka maina izay ampy sy izay tiana! 
Fikarakarana azy:
lomana amin'ny ronono ny mofo dia ampiana siramamy sy dibera!
Kapohina ny atody dia asiana voaloboka maina dia atambatra ao daholo dia vita ! 
Asiana dibera kely manodidina ny lasitra rehetra 
Fahandro azy:
- Lafaoro gasy! fotoana nahandro: 20 minitra! . Raha lafaoro gasy no nampiasaina, izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 
- Lafaoro vazaha: 175 dgr, fotoana nahandro: 40 minitra, 
Gouter tsotra mora sady tsy lafo!!
mazotoa o
Nahandron'i Tatie Nix
Catégorie: 
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire