Tsikri

821

TSIKRIA 

ZAVATRA ILAINA :
Manga manta (mety na mbola tanora , na ilay efa mafimafy)
tongolo madinika voavaofy maromaro
tongolo lay hasiny maromaro
Hanitra : "paprika, massala, kanelina, girofle"
Menaka 1L eo ho eo
Vinaigitra
sira
sakay lavalava

FIKARAKARANA AZY :

Fomba 1)
- Voasana ny manga na tsia
- Tetehana vaventy dia sasana, asiana sira,
- Andro 1 : atao anaty sahafa dia atapy andro saromana "sachets"
- Andro 2 : avela amin'zao, avadibadika mba tsy ho bobongolo.
- Andro 3 : efa malazo tsara fa efa ho maina iny. Omanina ny hanitra rehetra, ampiarahana amin'ny tongolo madinika (tsy vakiana) sy tongolo lay ( tsy totoina).
- Atao anaty fitoerana tsy atahorana hitsonika ( vilany na lovia vy ireny ohatra), dia arotsaka ao koa ny manga efa voakarakara, asiana sira kely indray.

- Alaina ny menaka (tena efa ho 1 L) dia afanaina mamay be ilay manetroka ireny mihitsy. Rehefa vonona dia arotsaka ao anatin' ilay manga (ivelan'ny afo io)
- Asiana sakay lavalava mitovy amin'ny sakaibe (poivron) amin'izay dia saronana ao.
- Andrasana mangatsiaka dia asiana vinaigitra kely.
- Atao anaty "bocal" ary andrasana andro maromaro vao tena masaka sy malemy.

Fomba 2) 
- Tsy voasana ny manga
- Lomana rano misy vaingan-tsira mandritry ny 2 na 3andro, dia mihamalemy ilay hodiny.
- Tsihifina ary ahahy ho malazolazo tsy dia maina (raha maina tsinona dia mbola averina lemana indray avy eo alohan'ny hampiasana azy)
Dia ny tohiny ilay asiana menaka mamay ...

Mazotoa o !

Nahandron'i Hayat Godin Madagascar

(sary nindramina)

Catégorie: