Trondro andrahoina

Portrait de Angie
1089

TRONDRO NANDRAHOINA - POISSON EN PAPILLOTTE

Ity fahandro trondro ity dia mitana ny otrikaina rehetra tsy toy ny endasina na andrahoina atao saosy sy ritra fa atao anaty fonosana. Mora atao tokoa 

Zavatra ilaina:

trondro, (dorade)
celeri,
karoty
tongolo be
menaka oliva,
sira,
 

Fikarakarana azy:

- Sasana tsara ny trondro (kikisana ny kirana ary esorina ny ao anatiny ) ary rehefa madio tsara dia hamainina tsara

- Maka“papier allu” lehibe na koa “papier cuisson” atao roa sosona hametrahana ny trondro.

-Tetehina ny sy tongolo be, céleri ary karoty natao efamira madinika dia atao lafika aloha vao apetraka ny trondro ka asisika ihany koa ao anaty kibon’ilay trondro hahamanitra azy ary atao manodidina ihany koa. Azo ampiana ireo voatanisa eo ambany koa raha tiana.

- hidina tsara ny “papier allu” na koa “papier cuisson” dia andrahoina

 

Fandrahoana azy

 

- ambony afo malefaka anaty lapoaly tsy miraikitra no apetraka ary saromana ka eo amin 20 minitra eo fa avadika eo anelanelany

- anaty lafaoro efa nafanaina mialoha amin’ny hafanana ambony kosa 220° 20 - 25 minitra eo

 

Fanamarihana:

Raha tiana dia azo asiana : voatabia, tongolo gasy, dipoavatra, capre, voasary makirana, persila, kotomila, origan …

Masaka izy rehefa sitomina ny taolany amin’ny elany na ny rambony dia miala ho azy

Ny anay esorina tanteraka ny taolana vao zaraina ambony vilia ary rarahana ilay ranony toy ny sauce kely, asiana sira kely ary menaka oliva eo amboniny, hohanina amin’ny legioma na koa “crouton”  : tetehana ny mofo dia atsofoka anaty lafaoro, hatono na hatao mendimendy amin'ireny lapoaly tsy mila menaka ireny.

Mazotoa o 

22.12.17

 

Ingrédients: 
Catégorie: