SALADE LEGUMES

15

Salady legioma 

Zavatra ilaina:

Ovy 4 lehibe, karoty 4 lehibe, betiravy 4 madinidinika,  sakaibe mena sy maintso samy 1 avy, atody 1, sira, menaka

Fikarakana azy:

Ampangotrahina ny ovy, karoty, betravy,
Tetehina boribory: ovy sy ny betiravy fa tetehina misopirana kosa ny karoty
Tetehina en lamelle ny sakaibe mena sy maintso 
Andrahoina amankorany ny atody 
Manao saosy voasary makirana sy menaka asiana sira sy siramamy kely (ohatran'ny vinaigrette ihany fa voasary makirana no ampiasaina)

Alahatra ambony vilia amin'izay:
ovy aloha no apetraka voaohany manaraka ny sisiny vilia,
Karoty avy eo betiravy ny afovoany, aparitaka ny sakaibe,
apetraka ny atody nozaraina efatra.
Rarahana ilay saosy amin'izay.

Recette de Aina Rakotoarisoa‎

Mazotoa homana e!

 

Catégorie: 
Matériels: