Pastéïs de nata

1007

PASTÉÏS DE NATA

Pastéïs de nata,
Tsy mofo gasy io fa vazaha!
Fa vita rehefa atao,
Ka etsy ambarako anao:

300g ny lafarina,
Raha mihoatra kely dia tsy maninona,
200g ny dibera 
Ary rano androantokom-bera.

Atao anaty baolina 
Ilay rano sy lafarina,
Dia volavolaina 10 minitra,
Ary atao boribory tsy mitsiatra.

Fonosina film plastique
Dia atao anaty frigo hangatsiaka.
Rehefa afaka ora iray,
Dia atao pâte feuilletée @ zay.

Raha tsy hainao io na koa tsy nety,
Jereo ny recette-ny @ internet!
Fa ny crème indray atao,
Toy izao manaraka izao:

Tamenak'atody iraika ambin'folo
Kapohy tsara daholo,
Dia avelao hitokana tsara,
Ny hafa indray atao sao tara.

Lafarina 125 girama,
Siramamy 125 girama
Rano fehefatry ny litatra
Ary ronono koa 1 litatra.

Iray tsongo ihany ny sirany,
Ampiana hoditra voasary makirana,
Asiana vanilina koa
Sy canelle tahony roa.

Afangaroy izy rehetra ireo,
Ahandroy @ izay avy eo.
Sotro be hazo hanaroiroina azy,
Ka rehefa miraikitra dia aminazy!

Esory @ afo f'aza avela ho may, 
Rehefa mangatsiaka, ny atody arotsay.
Afangaroy hitambatra tsara. 
Ka @ ilay pâte indray ny karakara.

Asio dibera sy lafarina ny moule
Amin'izay tsy miraikitra re olona.
Tapaho 2 cm eo ny pâte feuilletée
Dia tsindrio anaty moule hifitsaka be.

Asio ilay crème amin'izay
Dia ampidiro anaty four mahamay.
Rehefa masaka sy mendy dia esory, 
Hitanao fa tsy sarotra akory?

Nahandro sy tonokalon'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO
Anio 11 Mai 2017

Catégorie: