Ovy mitsiky(lafaoro)

325

Ovy mitsiky - patate sorriso / faccine di patate (italien) - galettes de pomme de terre "smile"/ croquettes smile (francais)

Zavatra ilaina :
Ovy 500g
fecule de patate 30g (azo ovaina fecule de mais na maizena)
sira, menaka ary chapellure 
Azo asiana fromage rapé koa

Fitaovana ilaina:

sotrokely sy pupette , vera na zavatra azo atao boribory

Fikarakarana azy:
Andrahoina amin'ny hodiny ny ovy (asiana sira ny rano mba tsy ho vaky )
Rehefa masaka dia potserina , araraka ny fecule de pomme de terre na maizena, asiana sira izay tiana
Rehefa mitambatra tsara lasa boule dia velarina ambony latabatra, ho ahy dia nasiako papier cuission teo amin'ny latabatra dia apetraka ny boule ovy dia nosaromako papier cuisson indray izay vao kosehina amin'ny
rouleau amin'izay tsy feno miraikidraikitra na roulea na ny latabatra,
Hafanaina ny lafaoro à 200°
Rehefa fisaka tsara dia afaka maka vera na emporte pièce ( izaho moa naka sarona biberon) dia natao boribory nanapahana ny pate, avy eo dia naka pupette nanaovana ny masony , ary sotrokely nanaovana ny vavany, 
maka vilia 2 ny iray misy menaka ny iray misy chapelure, ka raisina ny pate dia ampandalovina ilay menaka zay vao mandalo chapelure vao alefa ambony plaque efa nasiana papier cuisson koa
Nampidirina lafaoro 10-15 min vao doré eo dia vita (araka ny lafaoro io)
Nohanina tamin'ny sauce rose (ketchup sy mayonaise no atambatra )
Eo amin'ny commentaire ny sary rehetra 
dia mazotoa o oo

Catégorie: 
Matériels: